Bokin'i Ezra 7:5
zanak’ i Abisoa, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisoronabe;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The son of Abishua, the son of Phinehas, the son of Eleazar, the son of Aaron the chief priest:
In Context
4zanak’ i Zerahia, zanak’ i Ozy, zanak’ i Boky,
Cross References
Leviticus 10:6Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr’ i Jehovah.
Leviticus 10:16Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin’ ny zanak’ i Arona sisa izy, dia tamin’ i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
Numbers 20:25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
Numbers 27:2dia nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
Numbers 31:31Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Joshua 14:1Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;