Bokin'i Ezra 7:6
io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5zanak’ i Abisoa, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisoronabe;
Cross References
Genesis 32:28Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
Deuteronomy 28:1Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
Ezra 6:22ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
Ezra 7:11Ary izao no tenin’ ny taratasy izay nomen’ i Artaksersesy mpanjaka an’ i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin’ ny lalàn’ i Jehovah sy ny didiny tamin’ ny Isiraely:
Ezra 7:28sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
Ezra 8:18Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,