Bokin'i Ezra 8:1
Ary izao no lohan’ ny fianakaviana sy filazana ny firazanan’ ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 9:1Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
1 Chronicles 24:31Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
2 Chronicles 26:12Enin-jato amby roa rivo no isan’ ny lohan’ ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
Ezra 2:2dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
Ezra 2:62Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
Ezra 7:7Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.