Bokin'i Ezra 8:18
Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 3:20Ary ny zanakalahin’ i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon’ ny Levita, araka ny fianakaviany.
1 Chronicles 6:4Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon’ ny Levita araka ny rainy:
Ezra 7:6io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
Ezra 7:28sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
Ezra 8:22Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
Nehemiah 2:8sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.