Bokin'i Ezra 8:23
Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
So we fasted and besought our God for this: and he was intreated of us.
In Context
Cross References
2 Kings 13:4Ary Joahaza nifona tamin’ i Jehovah, dia nohenoin’ i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian’ ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan’ i Syria.
2 Chronicles 33:12Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany
Ezra 8:31Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Esther 4:16Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Proverbs 3:5Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
Jeremiah 29:12Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.