The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 8 › Bokin'i Ezra 8:28

Bokin'i Ezra 8:28

Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And I said unto them, Ye are holy unto the LORD; the vessels are holy also; and the silver and the gold are a freewill offering unto the LORD God of your fathers.

In Context

27sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan’ ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.

29Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Isiraely any Jerosalema, dia amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ i Jehovah.

Read all of Bokin'i Ezra 8

Cross References

Leviticus 21:6Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.

Numbers 4:4Izao no ho fanompoan’ ny taranak’ i Kehata ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masìna indrindra:

Numbers 7:13Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

Deuteronomy 33:8Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,

1 Chronicles 23:28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,

2 Chronicles 24:14Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon’ i Jehovah mandrakariva izy tamin’ ny andron’ i Joiada rehetra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 8:28

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezra 8:27Bokin'i Ezra 8Bokin'i Ezra 8:29 →