Bokin'i Ezra 8:35
Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 1:1Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:
2 Chronicles 29:31Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon’ i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
Ezra 6:17ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.
Psalms 66:15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.]
Luke 1:74Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,