Bokin'i Ezra 8:36
Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 5:6Ny tenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ho any amin’ i Dariosy mpanjaka;
Ezra 7:21Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ ny mpitahiry ny haren’ ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ ny ony, fa na inona na inona no ilain’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Proverbs 16:7Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
Acts 18:27Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;