The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 9 › Bokin'i Ezra 9:1

Bokin'i Ezra 9:1

Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Now when these things were done, the princes came to me, saying, The people of Israel, and the priests, and the Levites, have not separated themselves from the people of the lands, doing according to their abominations, even of the Canaanites, the Hittites, the Perizzites, the Jebusites, the Ammonites, the Moabites, the Egyptians, and the Amorites.

In Context

2Fa efa naka tamin’ ny zanakavavin’ ireo ho vadiny sy ho vadin’ ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin’ ny olona tompon-tany ny taranaka masìna; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin’ izany fahadisoana izany.

Read all of Bokin'i Ezra 9

Cross References

Genesis 15:16Fa raha mby amin’ ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.

Exodus 13:5Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’ izao volana izao.

Exodus 33:16Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin’ ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.

Leviticus 18:24Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.

Numbers 23:9Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.

Numbers 25:6Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 9:1

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
Bokin'i Ezra 9Bokin'i Ezra 9:2 →