Bokin'i Ezra 9:10
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin’ izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And now, O our God, what shall we say after this? for we have forsaken thy commandments,
In Context
Cross References
Genesis 44:16Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
Nehemiah 9:30Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny firenena amin’ ny tany hafa.
Psalms 106:6Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
Daniel 9:4Ary nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,