Bokin'i Ezra 9:12
koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin’ ny tany, dia hamela izany ho lovan’ ny taranakareo mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 18:18Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Exodus 34:15fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;
Deuteronomy 7:3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.
Deuteronomy 23:7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
Joshua 23:12Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
2 Chronicles 19:2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.