Bokin'i Ezra 9:3
Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 21:5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
2 Kings 18:37Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Nehemiah 13:25Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’ Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
Job 2:12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.
Psalms 143:4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
Jeremiah 7:29Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin’ i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.