Bokin'i Ezra 9:4
Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 29:39(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
Numbers 25:6Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Ezra 10:3Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
Isaiah 66:2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Ezekiel 9:4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
Acts 3:1Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ ny tempoly tamin’ ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.