Bokin'i Ezra 9:8
Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’ i Jehovah Andriamanitray tamin’ ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin’ ny nanomezany anay fihantonana eo amin’ ny fitoerany masìna, mba hohazavain’ Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ ny fahandevozanay izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 14:27Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin’ ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
2 Kings 19:4Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
Ezra 9:9Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
Nehemiah 1:11Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
Job 33:30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
Psalms 13:4Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;