Epistily ho an'ny Galatiana 2:5
fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ ny fahamarinan’ ny filazantsara aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 2
Cross References
Nehemiah 6:4Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
Galatians 2:14Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’ i Kefasy teo anatrehan’ ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ ny Jiosy?
Galatians 4:16Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
Colossians 1:5noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ ny tenin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara,
1 Thessalonians 2:13Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.