Epistily ho an'ny Galatiana 2:8
(fa Izay niasa ho an’ i Petera hah’ Apostoly azy ho an’ ny voafora no niasa ho ahy koa ho an’ ny jentilisa),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 2
Cross References
Acts 1:8Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.
Acts 2:14Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
Acts 4:4Kanefa maro tamin’ izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan’ ny lehilahy.
Acts 8:17Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masìna ireo.
Acts 13:2Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
Acts 15:12Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’ i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa.