Epistily ho an'ny Galatiana 3:13
Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 3
Cross References
Deuteronomy 21:23dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
2 Samuel 17:23Ary nony hitan’ i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin’ ny fasan-drainy.
2 Samuel 18:14Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin’ ny fon’ i Absaloma, raha mbola velona teo amin’ ny hazo terebinta izy.
2 Samuel 21:9dia natolony teo an-tànan’ ny Gibeonita ireo ka nahanton’ ireo teo amin’ ny havoana teo anatrehan’ i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ ny niandohan’ ny fararano tamin’ ny voalohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
Esther 7:10Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.
Isaiah 55:5Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.