Epistily ho an'ny Galatiana 4:27
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
28Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 4
Cross References
Ruth 1:11Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
1 Samuel 2:5Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
Psalms 113:9Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
Isaiah 54:1Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.