The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Genesisy › Bokin'ny Genesisy 1 › Bokin'ny Genesisy 1:20

Bokin'ny Genesisy 1:20

Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan’ aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin’ ny tany eny amin’ ny habakabaky ny lanitra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And God said, Let the waters bring forth abundantly the moving creature that hath life, and fowl that may fly above the earth in the open firmament of heaven.

In Context

19Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.

21Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan’ aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin’ ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.

Read all of Bokin'ny Genesisy 1

Cross References

Genesis 1:14Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.

Genesis 1:30Ary ny amin’ ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.

Genesis 8:17Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.

Job 12:9Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,

Psalms 104:25Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.

Ecclesiastes 2:21Fa misy olona izay misasatra amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’ izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Genesisy 1:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Genesisy 1:19Bokin'ny Genesisy 1Bokin'ny Genesisy 1:21 →