Bokin'ny Genesisy 1:25
Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 1
Cross References
Genesis 2:19Ary tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’ aina rehetra, dia izany no anarany.
Job 12:8Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.
Job 41:12Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.