Bokin'ny Genesisy 11:4
Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona.
Read all of Bokin'ny Genesisy 11
Cross References
Genesis 6:4Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
Deuteronomy 1:28Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
Deuteronomy 9:1Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
Psalms 49:11Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.
Proverbs 10:7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
Daniel 4:22Horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin’ ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra, ary fetr’ andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.