Bokin'ny Genesisy 12:8
Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ ny tany atsimo.
Read all of Bokin'ny Genesisy 12
Cross References
Genesis 4:26Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
Genesis 13:4dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
Genesis 26:25Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran’ i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’ Isaka.
Genesis 31:25Ary Labana dia nahatratra an’ i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr’ i Gileada.
Genesis 35:3ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako.
Genesis 35:15Ary ny anaran’ ny tany izay niresahan’ Andriamanitra taminy dia nataon’ i Jakoba hoe Betela.