Bokin'ny Genesisy 14:18
Ary Melkizedeka, mpanjakan’ i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 14
Cross References
Numbers 24:16Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
2 Samuel 2:5Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.
Psalms 50:14Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra; ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao;
Psalms 76:2Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany;
Psalms 110:4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.
Micah 6:6Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?