Bokin'ny Genesisy 14:19
Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he blessed him, and said, Blessed be Abram of the most high God, possessor of heaven and earth:
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 14
Cross References
Genesis 24:3fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
Genesis 27:25Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
Genesis 47:10Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’ i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
Genesis 49:28Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
Deuteronomy 10:14Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
2 Samuel 2:5Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.