Bokin'ny Genesisy 14:7
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ ny efitra.
Read all of Bokin'ny Genesisy 14
Cross References
Genesis 16:14Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.
Genesis 36:12Ary Timna no vaditsindranon’ i Elifaza, zanakalahin’ i Esao; ary niteraka an’ i Amaleka tamin’ i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’ i Ada, vadin’ i Esao.
Exodus 17:8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.
Numbers 14:43fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
Numbers 20:1Ary tamin’ ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
Deuteronomy 1:19Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin’ ny lalana mankany amin’ ny tany havoan’ ny Amorita, araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.