Bokin'ny Genesisy 15:1
Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 15
Cross References
Genesis 21:17Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
Genesis 22:20Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin’ i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin’ i Nahora rahalahinao,
Genesis 46:2Ary Andriamanitra niteny tamin’ Isiraely tao amin’ ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
Numbers 12:6Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy.
Deuteronomy 31:6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Ruth 2:12Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.