Bokin'ny Genesisy 15:5
Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary nino an’ i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
Read all of Bokin'ny Genesisy 15
Cross References
Genesis 13:16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Genesis 22:17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;
Genesis 28:14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Exodus 32:13Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Deuteronomy 10:22Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.
Psalms 147:4Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.