Bokin'ny Genesisy 16:1
Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 16
Cross References
Genesis 11:30Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
Genesis 15:2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Genesis 21:12Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Genesis 25:21Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
Luke 1:7Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
Galatians 4:24Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.