Bokin'ny Genesisy 16:3
Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 16
Cross References
Genesis 16:5Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
Genesis 25:6Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
Genesis 30:4Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’ i Jakoba koa izy.
Genesis 32:22Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ ny toby ihany tamin’ iny alina iny.
Judges 19:1Ary tamin’ izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
1 Kings 11:3Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.