The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Genesisy › Bokin'ny Genesisy 16 › Bokin'ny Genesisy 16:5

Bokin'ny Genesisy 16:5

Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And Sarai said unto Abram, My wrong be upon thee: I have given my maid into thy bosom; and when she saw that she had conceived, I was despised in her eyes: the LORD judge between me and thee.

In Context

4Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.

6Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.

Read all of Bokin'ny Genesisy 16

Cross References

Genesis 31:53Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.

Judges 11:27Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;

1 Samuel 24:13Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.

2 Chronicles 24:22Toy izany no tsy nahatsiarovan’ i Joasy mpanjaka ny soa nataon’ i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.

Psalms 35:23Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko.

Luke 10:40Fa Marta sahirana tamin’ ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Genesisy 16:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Genesisy 16:4Bokin'ny Genesisy 16Bokin'ny Genesisy 16:6 →