Bokin'ny Genesisy 17:10
Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
Read all of Bokin'ny Genesisy 17
Cross References
Genesis 17:23Koa dia nalain’ i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’ izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’ Andriamanitra taminy.
Genesis 21:4Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
Genesis 34:22Nefa izao monja ihany no hanaovan’ ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
Exodus 12:48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
Joshua 5:4Ary izao no anton’ ny namoran’ i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta.