Bokin'ny Genesisy 17:3
Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Abram fell on his face: and God talked with him, saying,
In Context
2Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao.
Read all of Bokin'ny Genesisy 17
Cross References
Exodus 3:6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.
Numbers 14:5Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ ny fivorian’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Judges 13:20Ary raha niakatra ho amin’ ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ ny alitara, dia niakatra teo anatin’ ny lelafo avy teo amin’ ny alitara Ilay Anjelin’ i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ ny tany.
Ezekiel 1:28Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.
Ezekiel 9:8Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin’ ny Isiraely amin’ izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’ i Jerosalema izao?