Bokin'ny Genesisy 18:25
Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 18
Cross References
Numbers 16:22Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
1 Chronicles 16:33Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
Job 8:3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
Job 9:22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
Job 34:12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
Psalms 7:12Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.