Bokin'ny Genesisy 18:30
Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 18
Cross References
Judges 6:39Ary hoy koa Gideona tamin’ Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin’ ny volon’ ondry: aoka ny volon’ ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan’ ny ando.
Job 40:4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
Psalms 10:17Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
Isaiah 6:5Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko.
Hebrews 12:28Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’ Andriamanitra amin’ ny fanajana sy ny fahatahorana;