Bokin'ny Genesisy 19:1
Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin’ i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 19
Cross References
Genesis 13:12Ary Abrama nonina tao amin’ ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ ny tany amoron’ i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
Genesis 18:22Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
Genesis 48:12Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.
Job 29:7Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
Hebrews 13:2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.