Bokin'ny Genesisy 19:19
indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary hoy Lota taminy: Aza an’ izany, Tompo ô!
Read all of Bokin'ny Genesisy 19
Cross References
Genesis 6:8Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
1 Kings 9:9Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ary nikikitra tamin’ andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran’ i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
Psalms 40:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
Psalms 103:1Nataon’ i Davida. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna.
Psalms 116:1Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.