Bokin'ny Genesisy 19:22
Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran’ ny tanàna hoe Zoara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary ny masoandro efa niposaka tamin’ ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
Read all of Bokin'ny Genesisy 19
Cross References
Genesis 13:10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Genesis 32:25Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ ny andro.
Deuteronomy 9:14Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
Psalms 91:1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
Isaiah 65:8Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon’ ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin’ ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
Mark 6:5Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.