Bokin'ny Genesisy 19:29
Ary raha noravan’ Andriamanitra ny tanàna tany amin’ ny tany lemaka, dia nahatsiaro an’ i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an’ i Lota hiala teo afovoan’ ny horavana, tamin’ ny nandravany ny tanàna izay nonenan’ i Lota.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 19
Cross References
Genesis 8:1Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
Genesis 18:23Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ ny meloka va ny marina?
Deuteronomy 9:5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
Nehemiah 13:22Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ ny famindram-ponao.
Psalms 25:7Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
Psalms 105:42Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,