Bokin'ny Genesisy 19:4
Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ ny tanora ka hatramin’ ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 19
Cross References
Genesis 18:20Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
Exodus 23:2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
Proverbs 4:16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
Jeremiah 5:1Miveziveze eny an-dalamben’ i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’ i Jerosalema.
Micah 7:3Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
Romans 3:15Ny tongony mimaona handatsa-drà;