Bokin'ny Genesisy 20:1
Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin’ ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’ i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 20
Cross References
Genesis 10:19Ary ny fari-tanin’ ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’ i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma.
Genesis 13:1Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ ny tany atsimo.
Genesis 16:1Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
Genesis 16:14Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.
Genesis 21:34Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
Genesis 26:1Ary nisy mosary indray teo amin’ ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’ i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’ i Abimeleka mpanjakan’ ny Filistina, tany Gerara.