Bokin'ny Genesisy 20:17
Ary Abrahama dia nifona tamin’ Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an’ i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 20
Cross References
Genesis 12:17Dia nasian’ i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’ i Saray, vadin’ i Abrama.
Genesis 29:31Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
Ezra 6:10mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
Proverbs 15:8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Isaiah 45:11Izao no lazan’ i Jehovah ny Iray Masin’ ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
Matthew 21:22Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo.