Bokin'ny Genesisy 20:6
Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ ny fahatsoran’ ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 20
Cross References
Genesis 3:3fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
Genesis 26:11Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
Genesis 35:5Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy.
Exodus 34:24Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
1 Samuel 25:26Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an’ i Nabala.
Psalms 51:4Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.