Bokin'ny Genesisy 21:14
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 21
Cross References
Genesis 16:7Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.
Genesis 21:31Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
Genesis 22:3Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy,
Genesis 24:54Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ ny tompoko.
Genesis 26:31Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin’ Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
Genesis 28:18Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.