Genesis 22:2
Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 17:19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy.
Genesis 21:12Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Genesis 22:16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
Judges 11:39Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ ny Isiraely
2 Chronicles 3:1Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
John 3:16Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.