Bokin'ny Genesisy 23:11
Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ ny vadinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary niankohoka teo anatrehan’ ny olona tompon-tany Abrahama,
Read all of Bokin'ny Genesisy 23
Cross References
Genesis 23:18tamini’ i Abrahama ho fananana, teo imason’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany.
Deuteronomy 17:6Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
Ruth 4:1Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
Ruth 4:9Ary hoy Boaza tamin’ ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ ny tànan’ i Naomy izay rehetra an’ i Elimeleka sy izay rehetra an’ i Kiliona sy Malona.
2 Samuel 24:20Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka.
1 Chronicles 21:22Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.