Bokin'ny Genesisy 23:19
Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 23
Cross References
Genesis 25:9Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre,
Genesis 47:30Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
Genesis 50:13dia nitondra azy tany amin’ ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ ny zohy amin’ ny saha Makpela, tandrifin’ i Mamre, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
Job 30:23Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.
Ecclesiastes 12:5ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe