Bokin'ny Genesisy 24:2
Ary hoy Abrahama tamin’ ilay lehiben’ ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 24
Cross References
Genesis 24:9Ary nataon’ ilay mpanompo tambanin’ ny fen’ i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’ izany zavatra izany izy.
Genesis 39:8Dia nandà izy ka nanao tamin’ ny vadin’ ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
Genesis 47:29Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ Isiraely, dia nampaka an’ i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
Ruth 2:6Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an’ i Naomy avy tany amin’ ny tany Moaba io;
1 Timothy 5:17Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin’ ny teny sy ny fampianarana.