Bokin'ny Genesisy 24:40
Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny havako sy amin’ ny tranon’ ikaky.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
39Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 24
Cross References
Genesis 5:24Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Genesis 48:15Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
Exodus 33:2Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
1 Kings 3:6Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany tahaka ny amin’ izao anio izao.
2 Kings 20:3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.