Bokin'ny Genesisy 24:65
Ary hoy izy tamin’ ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
66Ary dia nambaran’ ilay mpanompo tamin’ Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
Read all of Bokin'ny Genesisy 24
Cross References
Genesis 38:14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
1 Corinthians 11:5Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
1 Timothy 2:9Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,