Bokin'ny Genesisy 25:18
Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
Read all of Bokin'ny Genesisy 25
Cross References
Genesis 2:11Ny anaran’ ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
Genesis 10:29sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana.
Genesis 14:10Ary ny lohasahan’ i Sidima, dia be lavak’ asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Genesis 16:12Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.
Genesis 21:14Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
Exodus 15:22Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.